You are here: home > Vetso

Resy tokoa ve taniko? - lain's rakoto

Ngolingoly izany foko
Rotidrotika toloko
Misentosento lava
Manjombojombon-dava
Toy ny miaramila resy an ady
Voageja mafy amin'ny tady

Toa tsy afaka manohatra
Tsy afaka mitroatra
Manofinofy sisa azo atao
Mivavaka mitalao
Nefa indrisy tsy misy mpanavotra
Mandetika manosika mandrefotra

Tsy misy akory iray milefitra
Mandaroka mandratra
Izany vatako efa osa
Manararaotra ireo kanosa
Mandrovitra lambako
Mamotika tavako

Maka izay tsy azy
Mamotika manasazy
Fa izaho resy an ady
Tsy afaka miteny sy mandidy
Resy aho ka aleoko mangina
Hampangina ny faniriana

      Lain's rakoto
        30-09-16

Hametraka hevitra

Midira aloha