Rivotra inona? (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa rivotra inona ary ity?
Toa mifofofofo be!
Mafy loatra ny hafainganam-pandeha!
Rivotra inana ary ity e?
Tsy tadiho tsy tafiotra
Mirimotra tsy hita!
Toa mirimorimo be!
Rivotra inona ary ity e?
Tsy mandrava tsy mamotika!
Fa hitako handrotika!
Handrotika ny tsara!
Ireo tsara karakara!
Fa rivotra inona ary ity?
Toa mandrivotra aok'izany!
Tsy mandrodana ny tany!
Tsy mipoaka izay tinafy!
Fa manimba ny efa mafy
Toa mba rivotra hafa kely!
Mety hampiova ireo anjely!
Rivotra inona ary ity e?
Mba lazao ambarao!
Rivotra inona hoy ianao?
Vinavinao dia ho fantatrao!
Lain's rakoto
--------
Rohy:
Sokajy : Tontolo iainana
844 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 02/11/2016 10:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0681