Ry taniko! (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo aloha misento
Hamentsoventso
Hamisavisa
Hangina sy hangaina
Tsy hitomany tsy hitaraina
Na marary aza ny aina
Tsy mba afaka ny ho aiza
Miharitra izay mitaiza
Marary loatra ka tsy tanty
Izany dridra ato anaty
Hangahiahy tsy hiteny
Be fandeferana toy neny
Reny tsy mahafoy
Miafy mizaka izay miseho
Mibabababa mitoreo
Nefa tsy henoin'izy ireo
Samy manao izay saim-patany
Tsy te ahalala izay ratrany
Manimba hatrany no mba hainy
Tsy te ahalala ilay rainy
Maha ontsa izany foko
Ny mahita anao toloko
Ireo lasana hatrin'ny ela
Tsy mba nisy izay tavela
Toa mandrotika mandratsy
Ity lambako efa ratsy
Rotidrotika ny aty
Simbasimban'ireo basy
Tsy mety tapitra ireo gafy
Maniba foana an'ireto gasy
--------
Rohy:
646 1
Mpakafy: Naje
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 01/10/2016 08:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147