Tokana Ihany (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tokana Tiako
Tokana Ihany
Tokana Hatrany
Tokana Eto An-tany
Tokana Ihany
Tokana Tsy Lany

Tsy Mba Ho Etsy Sy Ery
Makatsy Makaty
Tsy Mba Kilalaom-pitia
Fitiavana Ho Doria
Tsy Toy Ny Lolo
Mitety Ny Raozy
Maka Mamy Ny Fitia
Tsy Hitety Raozy Maro
Maro Loko Mifangaro

Tokana Finidiko
Hanaja Ilay Safidiko
Tokana Teniko
Ilay Nosoratako Amin'ny Peniko
Ny Mitia Anao Tsy Neniko
Dia Averiko Teniko

Tokana Tiako
Ianao Ilay Nofidiako
Nofidiako Tsy Ho Ariako
Tiako Ianao Ry Tiako
Tokana Teniko
Manaja Anao Teniko
Teny Tsy Mivadika

Tokana Hafatro
Ny Ankoatra Anao Tsy Fantatro
Tokana Ambarako
Tiako Ianao Rahavako
Ho maman'ny Zanako
Tokana Teniko
Mandrakizay Ny Fitiavako
--------
Rohy:
836 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 30/11/2016 18:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151