You are here: home > Vetso

Tokantranonay - lain's rakoto

Azo vakiana?

Ny ato an tranonay
Misy zava maromaro
Samy hafa mifangaro
Ny ao an dakozia
Ny vilany sy lovia
Arina,kitay menaka,afokasoka,kifafa

Borosy nify ,menaka ,solitany
Hita ao koa ny zandrin'ny vilany
Toy ny lapoaly ,kafitera,terimaosy
Hita ao koa ny jiro fanao am -paosy
Ny tavy mandry zinga kely hoan'ny dosy
Tsy azo adinoina ny sio savony sy borosy

Ny ao an'efitra indray tsotsotra izy izay
Fandriana anankiray seza kely sy latabatra
Famantaran'ora sy fitaratra
Vata kely sy kaomaody
Tsy  dia TSARA fa izay mijery no kaody
Ny kiraro tsy lamaody

Ireo fihogo,diloilo ,loko mena
Mba fanaon'ny ramatoa rehefa injay izahay miantsena
Bisikileta anankiray  fitondran'ny zanakay
Ilay hany tokanay