Tsy afaka (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola zaza angamba
Mbola zaza loatra
Tsy mba afaka miteny
Ankoatra ny hoe;dada sy neny
Tsy mba afaka miteny
Fa mangina sy mijery
Mijery no mba azo atao
Mitsikitsiky milalao
Bitika aho ka tsy afaka mitroatra
Mbola zaza ka tsy afaka manoatra
Manohatra izay miseho
Mangina mitoreo
Mbola kely loatra hono
Dia tsy afaka mamono
Tsy afaka mandidy
Raha sendra mafy sy mangidy
Kely loatra ka tsy afaka
Mandidy sy manapaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
922 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 04/09/2016 07:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099