VELOMA ANY HO ANY! (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nangina ny tontolony
Nangina koa ny molony
Nangina hatramin'ny fony
Nangina tsy hiteny intsony

Efa vizana ny vatany
Torovana ny tratrany
Mafy loatra ka tsy zakany
Dia natrotrany ny tanany

Toy izany koa tongony
Nakipiny ny masony
Hanadinoiny ny efa lasany
Dia nangina teo tany
Rakotra aizina tomany

Aleony nangina tsy hiteny intsony
Na i dada na i neny
Nangina sy nangasihasy
Ho Lasa vovoka izy maty

Dia nandeha ny hira maro
Mampatsiahy ny tononkalo
Mampisento mahonena
Maty tsy afa mitaraina
Nandao tany fanalovana
Namela anatra fahatsiarovana
Mandry am-piadanana
Any ankoatra ianao rahavana
--------
Rohy:
1236 1
Mpakafy: Naje
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 03/01/2017 06:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141