Vetson'ny voafonja (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao maraina vao mifoha
Maneno indray ny akoho
Mamoha mandry ny daholo
Hamonjy indray izay fanao

Eny an'abakabaka eny
Indreny vorona manidina
Mitanjozotra maro be
Miara dalana
Nefa samy manana tiany aleha

Miara dalana misidina
Rehefa tonga indray ny hariva
Indreny olo maro be
Milanja angady sy kitapo
Samy revo tsisy niato

Dia mamonjy ny fodiana
Toy izany koa ra vorona
Mitatalahatra aok'izany
Handeha hamonjy indray ny akany

Dia otran'izany foana
Otran'izany ny fiainana
Miala ny maraina
Mody indray ny hariva
Fa ny gadra tsy mba izany

Zara ra mba mahita hazavana
Maizina foana
Maizina foana no iainany
Nefa tsy kivy manantena
--------
Rohy:
1120 2
Mpakafy: naje - lirah22
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 12/02/2017 07:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152