Voakazo (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Notazako
Fa tazoko
Efa masaka
Ilay voloboka
Hitako fa masaka
Nanintona ny masoko
Hioty ilay loko
Loko iray marevaka
Mambabo ny ato anaty
Hioty ilay voakazo
Tsara tsy malazo
Otazako fa efa masaka
Ilay voakazo lafatra
Ho aniko amin'izay
Lafatra izy izay
Vokazo tsy azon'iza alaina
Izaho ihany no mioty
Soa sy kanto ilay voakazo
Tsy mba toy ravin-kazo
Tsara loatra izy iny
Ilay mbola virijiny
Lain's rakoto
12-10-16
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana - Fitiavana
759 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 17/10/2016 06:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011