Vorona (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manidina
Misidina
Hanakatra
Mitakatra
Ny lanitra
Ravorona
Hitety ny abakabakin'ny lanitra
Efa ela no niaritra
Nipetraka sy reraka niresaka
Tao anaty trano kely
Dia hisidina
Hanidina toy ireo anjely
Hitety ny abakabakin'ny fiainana
Hanandrana hihinana
Izay rehetra tiany
Miliba sy anadino ny fahiny
Dia misidina tsy miato
Tsy ankijanona
Mitohy tsy ankisento
Hita hoe adolantsento
Manandrana izay takatrin'ny saina
Mafy loha tsy azonao rarana
Manidina hitety izao tontolo izao
Hanovo fiainam-baovao
Mitandrema ianao ra vorona
Mitandrema ndrao vaky orona
Milamina ihany aloha
Fa aza mafy loha
Lain's rakoto
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy
1018 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 02/11/2016 09:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154