FITIA VOARARA (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVENONA

Izao re no izy ry tiana a!
Aleo avy hatrany dia tsorina
voararan'ny fianakaviana
ilay fitia izay niaraha-nanorina
Tsy avelan'i dada sy Neny !
Hiaraka ihany ve hono
dia olona ohatran'ireny e !
Mba farafaharatsiny ahay
ny zanakalahin-drampanana
nianatra sady mahay !

Ekeko hoe sahirana izahay
ka nefa mba olona vanona
Raha resa-pianarana indray...
tsy fidiny ho ahy ny nijanona...
no sady tsy afa-manoatra !
Dia fanavakavahana ve e ?
ndrao dia tsy rariny loatra e !
Ny ray aman-dreniko ekena hoe...
tsy manana harena mihavosa
mahantra ary koa mahonena !
Fa ny tomba-pitiavako kosa
lafo vidy noho ny volamena
izay no tsarovy rahavako !

LAVENONA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
67 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : LAVENONA
Nampiditra : danielroimemy086
Daty : 26/04/2024 07:01
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157