You are here: home > Vetso

Aleoko - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Aleoko

Injay zany hetraketraka ho ahy
Tsy mety hitako izay ho anjarako
Ity fo tsy tony, ny saiko manahy
Mieritreritra izay mety hiafarako
Midoboka mangina sedrain-toloko
Mikiky ao anaty ireo fery hatrizay
Navelan'ireo fitia tsy anjara nosotroiko
Aleko hiandry any amin'ny mandrakizay
Fa nahoana kosa ry fiainana
No tsy omenao izay mba ilaiko
Fa resy aho ka velom-pitarinana
Ka aleoko hamoy ity aiko
Sendra tojo sampanana ny fo
Miandrandra ilay fahasambarana
Fa mbola fijaliana lehibe tokoa
No nanjoy ka tsisy fitsaharana
Ireny lavenon-dasa nolalovako
Tsy mba nahafapo ahy loatra
Fa ny fery hatrizay no narovako
Ka aleo miandry any ankoatra
Aleoko any an-danitra any
Miandry izay anjara ho ahy
Fa leo sahady ny ety an-tany
Manapotika ny fo sy fanahy


Lee Andrianalaina
02jolay 2021

Sokajy : Aingam-panahy