You are here: home > Vetso

Fery tsy nikatona - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Fery tsy nikatona


Herisetra angamba
Sa tena fitiavana
Nanantonana nahajamba
Potehina tsy rava

Hakanton'ny fitia...
Sa hetraketra hatrizay
No nampisampana ny dia
Nahatonga sento iray

Tena fitiavana angamba
Nefa ahitana ratram-po
Sa toe-tsaina vangavanga
Nampanjavona ny soa..

Fitiavana sa fankahalana
Izy irery mahalala izay
Any am-pony any.....
Tsiambaratelon'izy irery
Fitia sa fiatsaram-belatsihy
Ireny vitanao fahiny....
Alahelo sa fifaliana ...
No mba nampandihy....
Ny sorokao tamin'iny...

Fa ny ahy aloha tsoriko
Fa fitia lalim-paka...
Nitoetra tato ka navoriko
Ho fifaliana hampitraka

Saingy indrisy tsy tanteraka
Ilay fitia efa niangona
Nitoreo sy nandreraka
Lasa fery tsy nikatona....

Lee Andrianalaina
18 Novembre 2021(08:06)