Aoka (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka


Aoka hiantefa
Raha fitia ilaina
Mba tsy hirefarefa
Fa ho tohan'aina

Tsy tsatson'ny fitia
Fa ny maminy
Koa di....
Aoka hohaniny...

Raha efa voarara
Atao ahoana anefa
Mirary soa sy ny tsara
Fa ny ahy diso fiantefa

Aoka hikajy ao anaty
Raha fitia voarara...
Ilanao azy no ho satry
Fa tsy anatin'ny tantara

Aoka ho feriko mangina
Sanatria ho haborako
Fa fitia tsy mahalina
Ka voatery hofatorako...


Lee Andrianalaina
26 octobre 2021
--------
Rohy:
427 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098