You are here: home > Vetso

Tsy fitsara.... - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Tsy fitsara...

Tsy fitsara ireo lasany..
Na feno zava-mahory
Rava hoazy  kinasany
Ka voatery niari-tory

Aleo ho rakitrin'ny fahiny
Ilay farihy nahadobo
Nisolo hasambarana iny
Ireo rangotrin'ny lasany

Tsy fitsara fa fahatsiarovana
Entiny misedra ankehitrininy
No anatra sy fiarovana
Herintsaina no fihininy

Tsy fitsara aty ivelany
Ireo santionan'ity toetrany
Tsy fantatrao ny ianteherany
Tsy tsapanao koa ny fetrany


Lee Andrianalaina
19 octobre 2021

Sokajy : Aingam-panahy