Niangaranao - Lee Andrianalaina
Azo vakiana?
Niangaranao
Niangaranao aho ry tany
Fa sento lava no iainako
Niangaranao ka tomany
Nefa iza no itarainako
Niangaranao aho ry vintana
Ka very anjara nantenaiko
Tsy tazako intsony ny kintana
Izay nampaherezako ny saiko
Niangaranao aho anjarako
Ka tomany misasak'alina
Manembona ireo tantarako
Mahatonga ilay sento lalina
Niangaranao aho ry foko
Fa diso fiantefa ilay safidinao
Indrisy fa notsenain-toloko
Ilay vavahady tsy nahidinao..
Tsy niangarano kosa aho ry lanitra
Eny, na izao aza manjoy fa inoako
Manampy ahy foana ilay Andriamanitra
Hamafa hatrany ireo fahadisoako
John Andrianalaina(D-J-L-A)
24 septembre 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
(1).jpg)
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 27/09/2021
Mpamangy : 241
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Fery tsy nikatonaAdala
Aoka
Raha handao
Tsy fitsara....
Efa hafa indray
Teneno aho..
Nahoana no tsia...
Maika
Faneva nahofako