You are here: home > Vetso

Atataovy - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

           Atataovy

Atataovy aho ry havako
Fa mavesatra sy sarotra
Izato voatondro ho anjarako
Ny lalako koa toa matroka


Atataovy re raha sitrakao
Ity jiogam-pitiavako ry lala
Mba maniry toy ny silakao
Saingy tsy eken'ny fo adala

Atataovy ity ngidim-piainako
Fa tsy zakan'ity soroka intsony
Omeo namana aho itarainako
Omeo teny malemy mba hampitony


Atataovy re aho ry namako
Fa rerak'ity ketokin'ny jaly
Ianao sisa no mba fananako
Ka antenaiko mba hampifaly


Lee Andrianalaina
18 septembre 2021