You are here: home > Vetso

Aza anotaniana - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?


Aza anotaniana..

Aza anotaniana fa efa fantatrao
Ny anton'izao fitomaniana sasak'alina
Aza tsapaina fa mety efa tsapanao
Ny herin'ny tomany sy sento lalina
Ny fahatsiarovana no anton'izany
Fa ny fo tsy mety ampitoniana
Aza anotanina fa fantatrao ihany
Manina sy mahatsiaro ilay tiana

Lee Andrianalaina
04juillet 2021

Sokajy : Aingam-panahy