You are here: home > Vetso

Aza avela hahalala - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Aza avela hahalala


Raha sendra ho any ianao
Hamangy iny malalako iny
Eny efa tsy ahy fa nandao
Ka hoe malalako fahiny
Lazao azy fa efa tony sahady
Ilay afo miredareda noho azy
Lazao azy fa efa tsisy ady
Na fahoriana toy ireny sazy
Raha hitanao izy, aoka ianao
Tsy hilaza ny marina aminy
Lazao izy fa efa nadinony anao
Ny tavanao efa tsy tadidiny
Aza lazaina azy akory ireto
Fahoriako hitanao isan'andro
Ny senton'ny fo tsisy fetra
Filaminan'ny saina tsy tazana
Ireto sariny notehiriziko hatrizay
Lazao izy hoe efa nodorany avokoa
Efa sio-drivotra hoe fa tsy afo mahamay
No iainako amizao , efa nahita ny soa
Aza lazaina fa mbola tia sy adala
Lazao fa nanadino ny hankatony
Eny e, aza avela hahalala
Ataovy hoe efa tsy ao anaty aratony


Lee Andrianalaina
9 juillet 2021

Sokajy : Aingam-panahy