Faneva nahofako - Lee Andrianalaina
Azo vakiana?
Faneva nahofako
Mikotroka ny andro...
Haizin-kitroka niainana
Tsy mitsahatra miandra
Nisompatra ny fiainana
Any ho any izay ny lasako
Feno sento sy tomany
Ny ho avy indray andrasako
Dia ny foko manotany
Indro mahamay ny tany
Nolalovan'ity tongotro..
Feno fitia tany ho any
Fa ny foko no tsy rototra
Fa fery tsy hikatona anaty
Nomenao ahy ry lasako
Dia mbola teo koa mpanaratsy
Namingavinga ireto asako
Aiza indray aho hiantehatra
Alok'iza no mba hialofako
Fa noravaina an-tery setra
Ilay faneva izay nahofako*
Nikikika niantso lanitra....
Tsy nisy tonga ho fiarovako
Fa noratrain'ilay rivotra..
Ity faneva izay nahofako
Lee Andrianalaina( Sento Lalina)
7 septembre 2021
Mombamomba
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
(1).jpg)
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 19/09/2021
Mpamangy : 260
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Fery tsy nikatonaAdala
Aoka
Raha handao
Tsy fitsara....
Efa hafa indray
Teneno aho..
Nahoana no tsia...
Maika
Niangaranao