You are here: home > Vetso

Ilaiko Ilaiko hoe azafad - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Ilaiko

Ilaiko hoe azafady
Iny sorokao iny
Raha sendra mafy ady
Ianteherakl ry iky

Ilaiko hoe ny fitiavanao
Mba ho rako-boninkazo
Ratram-po anatiko ao
Nandalovan'ankaso

Ilaiko hoe ny fitsikinao
Entiko misedra onja
Mihenika anatiko ao
Toy ny alina am-ponja

Ilay na iray minitra aza
Ny hofihininao an-tratra
Fa te hiangoty toa zaza
Ity fo torotoro feno ratra

Ilaiko raha azo atao
Hitoeranao eto anilako
Handrakofako ny lasa
Ho tehina iray ifikirako

Ilaiko ny hahasambatra
Iano iny ry sila-panahy
Na any antratran'ny tsy fantatra
Fa enganie mba tsy hanahy


Sento Lalina(D-J-L-A)
09 Juin 2021

Sokajy : fiainana, Fitiavana