Iny zanako iny (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny zanako iny


Iny zanako iny
Tiako tsy foiko
Maditra tsisy tsiny
Adala tsy lotoiko


Sarobidy amiko
Lafo vidy tokoa
Ninana ny haniko
Omeko izay soa

Iny zanako iny re
Ry Andriamanitra
Mba tantana re
Omeo saina maranitra

Noho izy ilofosako
Mafy amin'izao
Fiainana efa sarotra
Aoka izy hitoky aminao


Raha sendra ilaozako ity tany
Ianao no tiako hanampy azy
Mba tsy ho levonin'ny tomany
Raha manota izy, aoka izaho no voasazy.....


Lee Andrianalaina
12 septembre 2021
--------
Rohy:
330 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 12/09/2021 12:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014