You are here: home > Vetso

Isaorako ianao - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

     Isaorako Anao


Isaorako Anao na sarotra
Ny lalana nodiaviko ry Tompo
Fa hiezaka aho tsy hatahotra
Na arivo lahy ijoro anoloako
Fa na mafy aza ny fitsapana
Na ho feno tsilo ny lalan-kizorako
Fa zakaiko foana raha izany no hatsarana
Hiezaka aho hampitombo finoako


Na sedrainao hatrany ny fiainako
Fa ianao no antom-pivelomako
Ianao re no mba andry itarainako
Raha sendra ka tonga ny androm-belomako
Isaorako ianao Andriamanitra Ray
Fa fahasoavanao no nahatoy izao ahy
Na impiry lavo izaho tsy fay
Raha izay no itondranao ny fanahy....


Ny aretim-poko mikiky isan'ora
Ny fahantrako toa tongom-bakivaky
Kanefa izany nositraninao mora
Isaorako ianao ry Tompo Andriamanitro



Lee Andrianalain
12 septembre 2021