You are here: home > Vetso

Noravako - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Noravako


Ireo sakana sampanana
Manakana ny lalako
Tsy handray anao an-tanana
Ry tiako sy malalako

Noravako ny fahasambarako
Mba hanasambarako anao
Novonoiko koa ny tantarako
Hampitsiky lava ilay fonao

Fa ny foko tsy leo mitempo
Mitanisa fitiavany anao
Noravako koa hatreto.....
Ilay eritreritro mitetika handao


Fa ny sisa tsy noravako.....
No tsy ho rava raha teo
Ilay fitia manakoako....
Ao anaty fo mitoreo....



Lee Andrianalaina
13 septembre 2021

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

raims randriamalala (15/09/2021 08:27:33)

hanasambarako???
Fa ny sisa tsy noravako.....
No tsy raha teo
Ilay fitia manakoako....
Ao anaty fo mitoreo....
=> mba afaka hazavaina ve azafady

David John Lee Andrianalaina (15/09/2021 21:02:18)

hanasambarako: hampigoka hasambarana
lay andiny fariny reo kosa nisy ts ampy fa efa nahitsiko tompoko, misaotra anao