Ry zandry (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Zandry

Nahoana ialahy mitomany
Lasalasa saina tsy fantatra
Aleo amizay izy ho any
Fa tanjona ataovy takatra

Efa ho firy volana izay
Ialahy malok'endrika foana
Ireo izay vitanareo hatrizay
Tokony efa sitran'ny fotoana

Zandry a, ekeko fa mahery fitia
Fa izao no ataovy an-tsaina
Ilay Ray ao ambony mitsinjo ny dia
Ka ny ezakao aza avela ho very maina

Ny tanjonao aloha tratrarina
Fa rehefa tafita ialahy, hanenina iany izy
Zandry a, meteza ialahy anarina
Aza variana milona ho ao fa adinoy izy

Ekeko fa voafitaka ialahy,
Lavo eo an-tsampanana
Lalànao izory aza manahy
Fa ny Ray ambony mitantana

Indrisy ialahy mila hamoy fo
Izy anie ka mety efa sambatra
Ary anao mety efa nadinona koa
Raha mifanena ianareo ianao odiany tsy fantatra


Lee Andrianalaina
21jona 2021
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Aingam-panahy
326 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021 19:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142