Soloy (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soloy

Soloy ho teny mamy
Ireo latsalatsa hatrizay
Ho fifaliana hatrany
Fa tsy ratra mahamay

Soloy ho tsiky mirana
Ilay alahelo manafika
Aza tao misompirana
Fa ataovy mba manatrika

Soloy ho lasa vavaka
Ireo teny ratsy fanao
Mba tsy ho solafaka
Ilay finoana am-ponao

Soloy fiderana ilay nahary
Ireo hirahira feno opa
Ekena fa hoe tsy lavorary
Ka soloy sao mba hiova

Soloy ho fifaliana ihany
Ny ratram-po mampahory
Fa raha handao ity tany
Tsy hitony tsy akory

Soloy ho fiainana mendrika
Ireo ditraditra nahasolafaka
Mba ho hendry ka tsy rendrika
Fahamendrehana no firavaka

Soloy ho tarehi-miramirana
Ilay ranomasom-piainanao
Soloy fa tsy mba manahirana
Fa vitsy mihaino ny fitarainanao


Lee David Andrianalaina
14jolay 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
281 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 14/07/2021 14:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099