Tiany ianao (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiany Ianao

Mafy ny sedra atrehany
Fa mitsiky hatrany izy
Ianao no mba ianteherany
Satria tena tia anao izy

Marary ny ainy, mangirifiry
Nohon'ny mafy ataonao azy
Fa fitiavany anao miha-mitsiry
Mahatonga azy miafy fa tsy voasazy

Misento isa-minitra ny fony
Miandrandra fitia aminao
Manantena ianao hampitony
Indrisy fa natonao kilalao

Miezaka izy ny mitsiky hatrany
Fa mbola mitepo anao ny fitiavany
Afeniny na maratra aza anatiny any
Mba hahitaninao ilay tena finiavany

Eo aminao ny tena hasambarany
Maro tokoa ny tia azy saingy
Ianao irery tiany ho malalny
Mandritrin'ny andro iainany

Tsy ianao irery akory ny tsara
Fa taminao ny fony niantefa
Ka notiaviny na nisy nandrara
Niaritra izy fa noratrainao anefa

Tiany ianao, ka ho eo foana
Izy sy ilay fitiavany adala
Vonona hiaritra izay manoloana
Sedrain'ny afo fa tsy mba hiala

Tsy fidiny hoanay mitoetra irery
Fa leo hetraketrakin'ny afo mandoro
Ka fikiro ny azo tsy mba ho very
Omeo fitia izy fa tsy horohoro

Na haratra sy simba ka potika
Ilay fony miezaka mitampify anilanao
Tsy fidiny ho azy ny horotidrotika
Mba hanaporofoany fa tiany ianao


Tiany ianao...

Lee
02jolay 2021
--------
Rohy:
401 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 13/07/2021 10:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137