You are here: home > Vetso

Tsaroako - Lee Andrianalaina

Azo vakiana?

Tsaroako

Iny rivotra mitsioka
Arahin'ny tadio
Sy ilay rano misosa
Ilomanosako anio
Toa nanaitra ny foko
Ilay rivo-malefaka
Adino ny toloko
Sy ilay fo nitandrevaka
Ilay fitsikin'ny lisy
Vao mangirana maraina
Nanantena tsy nisy
Ity fo velon-taraina
Tsy ho adinoko ianao
Nampifoha fo natory
Ary ny saiko nosarihinao
Endre izato izy efa tsy ory
Efa tsy mendrika hitia
Izay angaha, fahadisoako
Fery mijanona odoria
Eny , mbola tsaroako

Lee Andrianalaina
09 jolay 2021

Sokajy : Aingam-panahy