Tsy vitsy (Lee Andrianalaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vitsy.....

Iny vorona manidina
Tsy misy mpiompy
Fa velona isan'andro
Toy ny rano miantopy
Ity fiainana no sarotra
Aza kivy fa ifikiro....
Na mandalo andro matroka
Tsy maintsy atrehina
Ny adidy mankadiry.....

Tsy vitsy raha tazanina
Ireny vorona mivelona
Nefa tsy miasa akory...
Fa velon'aina minan-kanina
Rehefa alina matory...
Fa ianao kosa nefa...
Ny hatsembohanao....
No iveloman'kihinanana
Mandritrin'andro iainanao

Tsy Vitsy ireo mivarilavo...
Fa resy tretrikin'ity fiainana
Niarina ihany fa mbola lavo
Fa tsy hisy itarainana
Adinony fa Andriamanitra
Mbola eo hanampy azy
Ho hanana fiainana finaritra
Fa tsy maintsy mandalo sedra

Nahoana no manary toky...
Nefa tsy vitsy ireo miarina
Na vaky vava tsisy alòky
Maloto ka mioson-karina
Fanantenana ny ao anaty
Fa ilay Ray ambony.....
Tsy hampijiogy izay tsy tanty
Fa hiezaka hampitony
Fa raha tsy lavo ianao
Tsy fantatrao ny hamindra
Sy hametrak''ilay tongotrao
Mba hanam-piainana mirindra

Tsy vitsy ny fanantenana
Ao anaty ka aza avela
Ho very na ho poak'aty
Fa ilay Nanahary,
Sanatria tsy Hamela....

Lee Andrianalaina
25 Août 2021
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
427 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Lee Andrianalaina
Nampiditra : David John Lee Andrianalaina
Daty : 26/08/2021 06:08
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138