ISAORAKO IANAO (Malalatiana-Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isaorako Ianao Andriamanitra mahery,
nivimbina ny fiainako, tsy sasatra nijery,
na sarotra na mora ny lala-novakina
ny sandrinao tsy niala dia efa fitahiana.

Ny hehy, ny tomany mpandravaka ny andro,
ny alahelon'orana, ny tsikin'ny masoandro
nifandimby no nikolo ilay finoako,
tsimoka marefo nitombo tao am-poko.

Isaorako Ianao Andriamanitra Tsitoha,
mitantana ka raha miondrika ny loha,
arovanao mba tsy hiodina ny dia,
raha tretrika anefa tsy avelanao hania.

Ny haravoana avy aminao no tsy mba lefy,
ny fahoriana indray tsapa fa manefy,
manova aza matetika, sedra ilaina ihany,
tsy mampifikitra amin'ny hosoky ny tany.

MALALATIANA-HASINA
(1998)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1352 0
Hevitra mandeha
arialy ( 18/10/2011 14:30)
Amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malalatiana-Hasina
Nampiditra : M-Hasina
Daty : 13/10/2011 13:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141