ZAZA MALAGASY (Malalatiana-Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireto zaza ireto tokoa
mangasihasy
fa zaza malagasy
tsy mba hajaina zo,
ny reniny sy rainy
toy ny tsy niteraka,
matory rehefa reraka,
samy miahy ny ainy,
dia ny fisiana ihany
no mamolavola
zaza adalam-bola
tsy mahita afa-tsy androany
fa ny firenena ahoana,
mba miantra sy miady
sa samy izao mitady
fa ny harena efa mihafoana?

MALALATIANA-HASINA
6-9-2011
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1138 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malalatiana-Hasina
Nampiditra : M-Hasina
Daty : 27/09/2011 15:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142