MANINTONA FANAHY (Malalatiana-Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indroa no nahitako
masoandro mavo fotsy
ivom-paribolan-drahona,
voatemitra, voafaritra
loko kanton'avana,
ary ireny anarana
efa nolalovako,
efa nolalaoviko,
miverina indray amiko
miaraka amin'ny sary
soritan'ny Mpahary
amin'ny lanitra lolohavina
amin'izao minitra izao.

Iza sy iza izao
no afaka mibanjina
ny lanitra tinazako,
iza no hokopahiko
tsiaro ka hamaly?
Ilay famantarana halina dia...
Aoka ihany ho ahy...
Tsikitsiky maromaro
no manintona fanahy ...
MALALATIANA-HASINA
14 Oktobra 2011
--------
Rohy:
1542 0
Hevitra mandeha
hery ( 17/10/2011 12:35)
Oh, mahaliana. Tononkalo nivoaka avy tamin'ilay halo solaire izany ity :-)

Inona ny antony ho anao manokana? :-p
M-Hasina ( 17/10/2011 13:42)
Tamin'ny fotoana nisehoan'ilay "halo solaire" mihitsy no tonga ny aingam-panahy dia teo no ho eo ihany aho dia nahasoratra ity tononkalo ity.
tsy azoko tsara ilay fanontaniana hoe "inona ny antony ho ahy manokana",ny anton'ilay tononkalo ve sa ny anton'ilay " halo solaire"?
Raha ny anton'ilay tononkalo dia fanindroany no nahitako iny "halo solaire" iny, dia niverina tamiko niaraka tamin'ny fahitana ny "halo solaire" fanindroany ny seho voalohany, ny toerana, ny hetsi-po sy ny fihetsiky ny manodidina ary ny olona niaraka tamiko tamin'io fotoana io
hery ( 17/10/2011 15:09)
Ka nahita an'ilay hoe

"Ilay famantarana halina dia...
Aoka ihany ho ahy...
Tsikitsiky maromaro
no manintona fanahy ... "

Sa hafa mihitsy indray ilay famantarana halina?
M-Hasina ( 17/10/2011 18:16)
Misy heviny roa "ilay famantarana halina", ny hevitra voalohany: ny alina mialohan'io "halo solaire" io aho dia efa nanana "prémonition" (miala tsiny amin'ilay teny vahiny fa tsy hitako izay teny malagasy mahalaza azy feno), fa misy heviny iray faharoa izay mijanona ho tsiambaratelon'ny mpanoratra ihany koa.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malalatiana-Hasina
Nampiditra : M-Hasina
Daty : 17/10/2011 03:21
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135