NOHO IANAO MITAHY (Malalatiana-Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOHO IANAO MITAHY
Isaorako Anao
n'inon'inona tranga
manova ny manga
andrandrain'ny fanahy,
ny saina mahery
ka tsy ho rako-pery
noho Ianao mitahy.

Isaorako Anao
fa matoa afa-miaina,
tsy misy taraina
voatokana haharitra,
ny ratsy rehetra
sy ny soa manam-petra
mampilofo ho finaritra.
MALALATIANA-HASINA
28-8-2011
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - fanantenana
1232 0
Hevitra mandeha
TENIMAMIKO ( 03/07/2012 16:58)
Mahafinaritra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malalatiana-Hasina
Nampiditra : M-Hasina
Daty : 01/07/2012 16:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141