SAOTRA TSY HO FANAPERANA (Malalatiana-Hasina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Saotra tsy ho fanaperana
no mipololoatra Raiko,
tsy anambazana, tsy amerana
ny hasambarako ary haiko
fa horaisinao tokoa.

Ny fitahianao mikoriana
lalandava, tiana, telina
sy ny hakanton'ny fisiana
diso tsapa fa mihelina
mahatretrika ny fo.

Manandran-tsitraka aminao
amin'ny ora toy izao
ny fo, fanahy sy saina iray.

Mifona amin'ny hadisoana,
mihanta ho an'ilay finoana
haharitra mandrakizay.

MALALATIANA-HASINA
21-09-2011
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - Vavaka
1370 0
Hevitra mandeha
TENIMAMIKO ( 03/07/2012 16:58)
Hafakely ny tononkalonao. Mamiko fa midera Ilay Mpahary. Toy izany koa ilay "Noho Ianao mitahy". Angamba misy hafa betsaka any รด ?
M-Hasina ( 03/07/2012 17:40)
Miarahaba Tenimamiko dia misaotra indrindra. Maromaro tokoa ny tononkaloko miantefa amin'Ilay Mpahary: saotra, fankasitrahana, hanta sy talaho,fanehoam-pinoana ihany koa fintiniko amin'ny hoe "vavaka".
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Malalatiana-Hasina
Nampiditra : M-Hasina
Daty : 23/10/2011 08:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146