Ianao (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no sakaizan'ny foko
Ianao no mamiko indrindra
Ianao tsy mba ho afoiko
F'omeko fitia tsara rindra

Ianao ilay kintan'ny diako
Fanilon'ny androko hoavy
Ianao irery ihany no tiako
Hanaovako ilay mariazy

Ianao ilay andrian'ny saiko
Ianao no tena lalaiko
Ianao, ianao irery ihany
No tiako dia tiako eto an-tany

Ianao r'ilay tompon'ny foko
Ianao no ho kalokaloiko
Ianao, ianao foanafoana
No hirahiraiko mandavataona
--------
Rohy:
Sokajy : Mariazy - Fitiavana
1541 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 22/12/2008 09:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143