You are here: home > Vetso

Tsy tsapanao - manantena

Azo vakiana?

Efa natolotro ho anao
Izay sitrakao rehetra
Nomeko tsotra izao
Fa tsy nasiako fetra

Kanefa inona lazao
No nasetrinao izany
Teneno ambarao
Tsy sento sy tomany?

Tsy tsapanao akory
Ny fitiavako anao
Ka zary nampahory
Ity foko hatramin'izao

Tanatara sisa no tavela
Ny fitiavantsika roa
Ny fotoana tsy mamela
Ny fo sy saiko ihany koa

Hevitra mandeha

Zozoro (14/02/2009 20:05:44)

Mbola ho avy ny maraina.

Tiako ny vetsonao

Hametraka hevitra

Midira aloha