You are here: home > Vetso

izaho irery - manantena

Azo vakiana?

Taona maro izay
No niainako tety
Kanefa hatramin’izay
Tsy nahalalako ny fitia
Fa fiainana hafa kely
No niainako satria
Irery foana teny
Tsy mba nisy mpankafy

Nisy ihany anefa
Ireo nanaitra ity foko
Saingy diso fiantefa
Ka zary niova ho toloko
Izaho koa tsy sahy
Ny hanatona satria
Be ahiahy
Sady menatra an-dry

Dia naleoko ihany
Irery foana teny
Kanefa ny fotoana
Mandroso ombieny ombieny
K’asa lahy
Mba rahoviana
Izaho no ho sahy
Sy mba hanana olon-tiana

Hametraka hevitra

Midira aloha