You are here: home > Vetso

Mahantra hoy ianao ny Malagasy - manantena

Azo vakiana?

Mahantra hoy ianao ny Malagasy
Sahiran-dava izao sy mangasihasy
Mitsiriritra mafy mahita ireo vahiny
Miadana, finaritra, toa tsy manan-tsiny
Kanefa, harena hono izany
Ao an-kibon'ito tany

Raha zava-boahary no 'ndeha ho lazaina
Dia I Madagasikara no mby ao an-tsaina
Fa hananany avokoa ireo izay tsy fahita
Antenaina hitondra soa ho an'ny tanindrazantsika

Raha zohina indray ireo zanaka naterany
Tsy misy mampanahy fa manambaka ny any ivelany
Nisy maro tsy voatana, lasa niondrana avokoa
Handranto fahalalana sy hitady izay mahasoa

Ny eto hono mantsy, tsy misy azo antenaina
Fa mandry an-driran'antsy, ka mampiferin'aina
Izay atao rehetra, ilana vaniny daholo
Be mpisetrasetra, ka mampitsangam-bolo

Hevitra mandeha

endrika01 (01/03/2009 14:07:15)

tsara lay aingam-panahy.

Hametraka hevitra

Midira aloha