You are here: home > Vetso

Fanehoam-pisaorana - manantena

Azo vakiana?

Faly ve ianao
Amin'izao fotoana izao
Raha Malagasy maro
No lavo raha niaro
Ny hasin-tanindrazana
Sy nitaky FAHAFAHANA

Tsinjaka sy dihy
No ataon'ny mpanara-dia
Ho solom-pisaonana
Sy fanehoam-pisaorana
Ireo tia tanindrazana
Nody ho razana

Malagasy ve ianao
Teneno ambarao
Raha mandihy ambony faty
Manosihosy ireo maty
Sy ny hasiny rehetra
Nataonao tsisy fetra

Hametraka hevitra

Midira aloha