MAP (manantena)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAP izao no malaza
Fa na lehibe na mbola zaza
Raha mbola eto Madagasikara
Ka ho raiketin'ny tantara
Fa n'inoninona atao
Dia MAP foana hono izao

N'aiza n'aiza no aleha
Dia MAP foana no re
Tsy mbola tazako anefa
Ilay fandrosoana miantefa
Isan-tokonam-baravarana
Sa fandrosoana diso lalana

Fa ny tsinjoko avy hatrany
Dia fahantrana sesilany
No iainan'ny vahoaka
Misakafo ambany foatra
Fa be ny olona mitapy
Izany angaha no atao hoe MAP

Ny fari-piainana mitotongana
Ny harena rehetra lany fongana
Hatramin'ny tany fambolena
No indrisy mahonena
Fa amidy an-tsosoko
Amin'ny vahiny izay misoko

Madagasikara am-perinasa
Nefa tanora maro no tsy an'asa
Ireo mifofotra manangana
Tsy hahavela hahatsangana
Fa tsisy afa-tsy izaho
No mahazo manao izao rehetra izao

Ny fampianarana amin'izany
Dia ataotao fahatany
Tsy antenaina hitondra soa
Fa dia atao kitoatoa
Simba ny hoavin'ny firenena
Oh, indrisy mahonena

Asa lahy mba rahoviana
Tsy hisy intsony fijaliana
Handrosoan'ny firenena
Izay indrisy mahonena
Fa harena hono izany
Ao an-kibon'ito tany

Kanefa iza no mitavana
Tsy ireo mpitondra sy ny havany
Fa fanjanahan-tsaina vaovao
No omeny ho ahy sy hoanao
Ahafahany mametraka
Ilay MAP tandrametaka
--------
Rohy:
978 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : manantena
Nampiditra : manantena12
Daty : 17/01/2009 08:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137