hatramin'izao (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tiana ah, ry 'lay tiako fahiny

hatramin'izao dia very ny saiko
very ny foko
taraiky any aminao any
kely ny aiko
tsy zakan'ny loako
manembona ny any aminao any ...
embona tsy zaka kanefa
tonga na lavina
diso fiantefa
toy ny tsiky tsy ravina
ny alahelo zakako ihany
fa ny fendrofendron'ny tsiaro
mila ahafaty ahy, mampitomany
'reo sento mifangaro
--------
Rohy:
463 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144