indray andro any ... (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hinoako fa indray andro any
hihiratra iny masoandro
fenomanana ny volana
hisy kintana lehibe 'zary fitarik'andro
ny rotsak'orana zary rotsam-bintana
mbola hinoako foana izany
satria boribory mantsy ny tany
fiainana koa fandalovana ihany
ary misy tsiky aorinan'ny tomany
mbola hinoako foana izany ankehitriny
satria raha ampitahana ny fahiny
azo hatao tsara ny mandamina madridra
amiko mantsy ny finoana no lehibe indrindra ...
--------
Rohy:
1245 1
Mpakafy: R.E.R
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135