tontolo iray ihany ny ahy (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tontolo iray ihany ny ahy sy ny anao
vatana tsy misy ratsana aho,
ianao kosa nofo aman-drĂ ,
azo lazaina anefa f'izaho sy ianao mpirahalahy ...
saingy nintarina aho,tsy nisy niano
nintomany aho saingy, tsy hitan'ny fanjakana
diso fiantefa fa sento very maina
nohosena kanefa 'zaho 'lay nolazaina tany "TAN-DALANA"
nimpetraka ho zandry aho,
satria ambany faladiha
dia niezaka tsy nitalaho
miandry ny atao hoe valim-pitia
fa maro ny milaza fa tia Tanindrazana
atreto aloha miandry vasoka,fa na fietsika tsy mba tazana
miandry miandry hatrany
'zany koa ny hoe olom-boninahitra tsy mety diso
ny tena adala raha hananatra ny Zoky
nefa n'inona n'inona afitsikin'ny ampitso
na velirano vita toky
diso aho, ary tena diso raha mbola hiantehitra,
mialatsiny aminao aho ry Fanantenako
'zay nodorako tsy namelako raha tsy nirehitra
fa efa 'zary vary fihinana ny fandisom-panantenana tsy tantiko
marary aho,
"Ry Gahy Filoha"
ho inonao moa ny tarainako
inonao ny aditsaina hiainako
inonao ny tanindrazana ...
mety ho fantatrao ny senton'ny mahantra amorom-patana?
tsia ... tsy hita soritra t'anaty vina velirano
ny foko mitsitra, masoko manganohano
--------
Rohy:
767 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135