ho anao (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mino aho fa tsaroinao ny amiko
eny na dia dila ny fitia
nifanomezan-tsika tamin'izany
ra'namerina ireo tsy ahy,tsy tantiko
'lay dina hoe doria
tsaroiko tamin'izany eny tadidiko eny ihany ...
iny tontolo tsara tazana ariva amoro-pantana
feno ny embona anao,fa sento very maina
misento olona an-tratran'olon-kafa
'zovy moa no nahalala 'lay fitia tsara tantana
'lay mahalana taraina
no tsy tàna ,sina sady gina aho hoe tsy ho ahy fa an'ny hafa
sahinao ve?
sahinao ny nanitsaka ny fitia
nokaloina ho doria
mety ianao hino fa sa tsy mety manandino
ny amintsika,ny rehetra efa vita
tsy azonao an-tsaina?
ity izaho aamorom-panantana
nilazaon'afanana,toy ny hoe magetaheta anaty lankana
misento very maina
--------
Rohy:
1094 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142