tonga tsy nantsoina (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
angamba aho mbola tia
fa tonga tsy nantsoina omaly ariva
ny sento nitondra tsiaro anao
tsaroiko ny dina ho doria
nifanaovana tany amorin'i Tritriva
nisonenikin'ny hafananao

Angamba aho mbola tia
f'lay tantara mba nalevoko ho loha
no tonga vonina naniry
nampatsiahy ny hankatony'ny fitia
toa nanosika ny fo
namelona 'ndray lay fitia hakadiry
--------
Rohy:
Sokajy : embona
688 0
Hevitra mandeha
raims randriamalala ( 13/12/2019 15:17)
tsara ny tononkalona fa fanitsiana kely:
hariva : fa tsy ariva
naleviko: fa tsy nalevoko => foto-teny: levina
lð fa tsy loha
hankadiry: fa tsy hakadiry
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148