tsy ho haiko (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
injay miserana mangina
mibitsika milanto
misalo sy misafo
ny kalonao fahiny
an-tsofiko mazàna,kanto
ankehitriny novidiko lafo
fa tsy haiko ny hanandino anao ...

mitamberina an-tsaina ,
toa arahina tsiaro mintaraina
miantso hoe miverena
saingy efa rano raraka,
tsy azo raofina tsy hay fefena
ankehitriny 'zary latsa
tsy haiko ny anandino anao
f'efa zatra, efa zatra nisy anao
--------
Rohy:
Sokajy : embona
895 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0945