tak'ariva amoron-drano ah (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tak'ariva amoron-drano aho
dinim-pianana saro-takarina ny diavina
voanemba ra'fasambarana saro-tedavina
fady fiteny ny makalao
mipitika an-jorony ihany mantsy 'zany
tsy very fa maka toerana ihany

jere iry fara-vodilanitra
ny tontolo fara-tazana
ny rahona manembana 'zary fandravahana
lasa any ny saiko misonenika eny amin'ny lanitra
milomano, any am-binavina tsy mba tazana
anaty haizina mitady fianadanana

fahiny mantsy, tony fasika sy bitika
raha tsy atompan'ny rano,asonenikin'ny rivotra
fony fahizany mitafy fitia,
ankehitriny toy ny sari-sikotra
ivelany ihany,ny anatiny difotra
'zay angamba ny atao hoe fiatsarambelatsihy ...
--------
Rohy:
1012 1
Mpakafy: R.E.R
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0178