Tsy ampy (M'art-son Emmanuel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy ampy ahy ny tontolo mba hisainako
tsy ampy ahy mba hitetezako
hanalako irony sentoko,
tsy ampy ahy ny fitia mba hilomanosako,
tsy ampy ahy ny alina hanofisako
tsy ampy ahy ny tontolo mba hiainako
fa tsy hisasaka akory aza ny fiainako
dia toy ny efa tapitra ny tontolo mba ho anjarako
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
820 1
Mpakafy: kanto01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148