You are here: home > Vetso

avia! - masofahatelo

Azo vakiana?

Avia!
Avia ety akaikoko mba ho fihinina
Ny masonao balika
Mba tiako ho banjinina
Ny foko mitempo mba te hikiakiaka!

Avia eto anilako mba ho tsapatsapina
Ny tavanao sariaka
Mahalasalasa saina
Mapitsoaka ny hatsiaka…

Avia ety amiko fa zaho te hiofana
Ny molotrao malefaka
Mba tiako ho tohofana
Faniriana fa tsy resaka!

Avia aty akaikoko fa ‘zaho mba te hikalo
Ny feonao manga
Mampatory fahavalo
Tsy manavaka sasranga…

Avia aty anilako fa ‘zaho hanafosafo;
Ny hoditrao manitra
Tsy hatakalok’hoditr’hafa
Tsy voavidy; tena raitra.
                    Masofahatelo!

Mombamomba

Mpanoratra : masofahatelo

Nampiditra : masofahatelo
Daty : 20/01/2008
Mpamangy : 1483
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

raha toa
fivoarana
sompatra
ny saina
ny fiainako
ra-vola
mandalo
sarotra ny mifidy
raoviana