sarotra ny mifidy (masofahatelo)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fo no tompon’ ny fo
Ka anjaranao no manontany
Raha tena ananany tokoa satria
Efa milalao azy ny eran-tany.

Ananako izy ‘nefa
Isanandro aho no misaina
Hoe: @ iza aho no hiantefa
Sao ho lasa karakaina!?!

Ty foko manirery
Nefa be mpitsriritra
Raha ho etsy toa ho very
Ka ny tsara koa tsy ho ritr’e!

Ao ny mena; ao ny manga
Samy manana ny hakantony
Ao ny jejo ao ny janga
Fa hafa ihany izany maontina!
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/masofahatelo/sarotra-ny-mifidy
1268 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : masofahatelo
Nampiditra : masofahatelo
Daty : 03/01/2008 07:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1802